- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohipo : Kamio mpaka fako nivadika, olona 7 naratra

Ambohipo : Kamio mpaka fako nivadika, olona 7 naratra

Asa raha mba fahafirin’ny lozam-pifamoivoizana vokatry ny olana ara-teknika amin’ny fiara ity nitranga tetsy Ambohipo ity? Fiara be mpitatitra fako no nivadika tetsy Ambohipo, amin’ilay fidinam-be mankaty Andohan’i Mandroseza iny, omaly vao maraim-be, araka ny filazan’ireo nanatri-maso. Naratra mafy noho izany ireo olona fito niaraka tamin’ity fiara be ka voatery nalefa haingana teny amin’ny hôpitaly. Raha ny vaovao voaray dia olana teo amin’ny hisatra no nahatonga ny loza. Tapaka “frein” teo am-pidinana ity fiara be ity ka avy hatrany dia nisosososo, nandona fiara taxi-be sprinter nipetraka teo amoron-dalana. Tsy voatana intsony ny familiana ka niampatra teny amina tambohon’olona indray avy eo, ary niafara tamin’ny fivadihany. Potika tanteraka ny lohan’ity fiara ity. Efa nahazo fitsaboana sahaza azy kosa ireo naratra. Raha ny fitantaran’ireo teny an-toerana dia avy naka fako teny amin’ny faritra Ambohipo iny ity kamiô be ity izao niharan-doza izao. Tafajanona teo am-povoan’arabe mihitsy moa ity fiarabe ity ka niteraka fitohanana ho an’ireo hamonjy asa iny maraina iny. Hanairana ireo tompon’andraikitra, manakarama itony fiara itony ihany, fa efa mazàna ahenoana fitairanana avy amin’ireo mpampiasa lalana. Ambonin’ny efa haratsin’ny fiara mantsy, tsy holazaina intsony ireo kojakoja mampandeha azy, misy amin’izy ireny no tsy mivaky loha sy mitsinjo ireo mpampiasa lalana hafa mihitsy. Ekena fa isan’ny tena ilaina izy ireny amin’ny fanesorana ireo fako misavovona, manamaimbo ny rivotry ny Renivohitra, nefa na dia izany aza, tokony hojerena akaiky ny mikasika azy ireny, hisorohana ny toe-javatra toy izao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser