- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohipo : Mandravarava ny « bande des huit », trano efatra...

Ambohipo : Mandravarava ny « bande des huit », trano efatra voaroba ny sabotsy teo

Ny sabotsy alina teo, nisehoana fanafihan-jiolahy sy fandrobana teny amin’ny faritra Ambohipo. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa izany « bande des huit » izany no mandravarava eny an-toerana. Trano efatra no fantatra fa nisy nandroba. Tokony ho tamin’ny 1 ora maraina teny Andohaniato, nisy valo lahy nitondra basy poleta sy zava- maranitra niditra ankeriny tao amin’ny tranona mpianatra. Na dia nihidy aza ny varavarana dia nodakan’ireo mpangalatra. Tafiditra izy ireo ary lasany tamin’izany ny fahitalavitra niampy kojakoja hafa ary vola 2 tapitrisa. Tsy nijanona teo ny fanafihana, nifindra trano hafa indray ry zalahy, hoy hatrany ny vaovao. Maro koa ny zavatra netin’ireo mpandromba tamin’izany, baffles, sib woofer. Raha vao nahazo izany ireo bandy dia nivadika tao amin’ny trano akaiky izay vehivavy no tao. Nalainy ny fahitalavitra, ordinatera. Dia tsy vita teo ny fandrobana fa tokony ho tamin’ny 3 ora maraina, teny Ampahateza indray ireo jiolahy no nampiseho ny asa ratsiny. Voalaza fa nopoizininy ny alika ary maty. Niditra mora foana naka izay tiany izy ireo. Tamin’io halatra io, ankoatra ny entana sarobidy, very koa ny vola 500 000 ariary. Lasa tamin’izany koa ny firavaka volamena sy vola fotsy taoan-trano. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa dia mbola namaky trano hafa ireto « bande des huit » ireto. Nandeha tao amin’ny trano iray ry zalahy dia naka fahitalavitra, ordinatera sy zavatra hafa ihany koa. Izany rehetra izany, dia niseho tao anatin’ny alina iray.

Olona 58 nohadihadiana. Fa tetsy andininy, nanao hetsika koa ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny boriboritany faharoa Ambohijatovo ny zoma alina. Efa  andro maromaro no nisy io hetsika io fa nofaranana ny zoma faha- 12 aogositra. Vokany, olona 58 no nosamborina ary nohadihadiana. Rehefa nampiakarina Fampanohavana izy ireo dia fantatra fa nampidirina vonjy maika am-ponja ny 12. Tsy mijanona eo ny hetsika, araka ny filazan’ny tompon’andraikitra fa hitohy. Izany no tanterahina dia ny mba hampandriana fahalemana iny faritra iny.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici