- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohipo : Mpamaky trano roa tratra, iray tafatsoka niaraka tamin’ny vola

Ambohipo : Mpamaky trano roa tratra, iray tafatsoka niaraka tamin’ny vola

Ny alin’ny 24 desambra teo, tokony ho tany amin’ny 11 ora, nahazo antso ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faha-2 Ambohijatovo fa misy mamaky trano eny Ambohipo. Tsy niandry ireo mpitandro filaminana fa nandeha teny amin’ilay toerana teo no ho eo. Efa handeha handositra ireo jiolahy no nifanehitra tamin’ireo polisy ary dia voasambotra ny roa. Tafatsoaka kosa ny iray. Rehefa nanontaniana ireo tratra dia nilaza fa any amin’ilay afaka nandositra ny vola voaroba tao amin’ilay trano. Vola mitentina hatrany amin’ny 8,1 tapitrisa ariary natao tao anaty sakaosy, ordinatera sy antontan-taratasy maro miampy telefonina. Nanao izay ho afany ny mpitandro filaminana nanenjika ilay tafaporitsaka fa tsy nahatratra azy. Ireo voasambotra dia ilay antsoina hoe Haja, 39 taona monina eny Ambohimanatrika sy Njaka 34 taona mipetraka eny Tanjombato. Omaly alatsinainy no natolotra ny Fampanoavana ireo roa lahy voasambotra.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser