- Publicité -
jeudi, août 14, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohipo : Mpanendaka sivy lahy voasambotra

Ambohipo : Mpanendaka sivy lahy voasambotra

Hentitra ny tompon’andraikitra voalohan’ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa, omaly, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety. “Tsy maintsy madio ary handry fahalemana amin’izay iny faritra Ambohipo iny. Na iza hitsivalana na iza hisakana” hoy izy. Malaza ratsy amin’ny firongatry ny tsy fandriampahalemana  tokoa iny faritra iny. Araka ny fanazavana nomen’ity  ity, dia isan’ny mahatonga izany voalohany indrindra, ny fisian’ireo fivarotana zava-pisotro sy toerana fandihizana tsy manara-dalàna eny an-toerana, izay isan’ny mahabetsaka ireo jiolahim-boto sy olona midonanam-poana amin’ny andro alina. Efa niroso tamin’ny fanakatonana ireto fivarotana tsy manara-dalàna ireto moa ireto mpitandro filaminana misahana iny faritra iny, herinandro vitsy lasa izay. Ao anatin’izay ihany koa dia niroso tamin’ny fisafoana isan’alina. Tamin’izany indrindra no nahatrarana olon-dratsy maromaro, teny an-toerana. Sivy no isan’izy ireo raha ny marimarina kokoa. Fantatra fa misy amin’ireo voasambotra ireo no efa jiolahy rain-dahiny amin’ny resaka fanafihana. Antony iray nahazoana izao vokatra izao, hoy izy, ny fiaraha-miasa amin’ireo mponina vonona ny hiverina amin’ny filaminana. “Hitan’ireo mponina hatreto ny vokatra. Efa manomboka miha-milamina eny amin’iny faritra iny. Na izany aza anefa, hotohizanay foana ny ezaka efa natomboka fa tsy ho sanatria afo-mololo akory” hoy hatrany izy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici