Soa ihany fa tonga aloha ireo mpitandro filaminana, raha tsy izany angamba, ny ain’ity mpangalatra môtô ity no nanefa, tetsy Ambohipo, omaly maraina. Tovolahy iray, tra-tehaka teo am-pangalarana môtô no voasambotry ny fokonolona omaly maraina tetsy Mandroseza, rehefa avy nangalatra môtô teny amin’iny faritra Ambohipo iny. Araka ny fanazavàna azo avy amin’ireo pôlisy misahana iny faritra iny dia nisy ny antso azon’izy ireo mahakasika vaky trano iray nitranga tetsy Ambohipo ny alin’ny alatsinainy hifoha talata lasa teo. Nidina avy hatrany teny amin’ny toerana nitrangan’izany asa ratsy izany ireo mpitandro filaminana avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa. Marihana, araka ny vaovao azo hatrany fa môtô « scooter » iray no very tamin’io fotoana io, rehefa nopitsohan’izay nangalatra azy ny vavahady. Tamin’io alina io dia efa raikitra ny savahao teny amin’ny manodidina nataon’ireo fokonolona sy ny mpitandro filaminana. Tao anatin’izany, nisy tamin’ireo andrimasom-pokonolona no nahatsikaritra ity tovolahy iray izay hafahafa fihetsika nifanena tamin’izy ireo. Nosavaina avy hatrany ity farany ary nibaradaka fa avy nangalatra môtô. Nafeniny tao anaty kirihitr’ala tetsy Mandroseza izany môtô avy nangalariny izany. Noterena hanoro io toerana io ranamana ary nitondra ireo mpisambotra azy. Hita tao tokoa ilay môtô halatra, very tetsy Ambohipo. Nisy tamin’ireo andian’olona nahatratra moa no tsy nahatana ny hatezerany tsy hivoaka intsony ka dia namatratra izany tamin’ity mpangalatra môtô. Teo no tonga haingana ireo pôlisy raha tsy izany mety ho zavatra no niseho avy tamin’ireo fokonolona efa vonton-katezerana. Nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny kaomisaria moa ingahirainy, mba hanaovana fanadihadiana, niaraka tamin’ilay môtô halatra. Mbola ao anatin’izay famotorana izay moa ireo tompon’andraikitra, fa raha ny fantatra dia mbola izy irery aloha hatreto no nahavita izany asa ratsy izany. Mirongatra izay tsy izy tokoa izao ny halatra môtô, indrindra fa ireo eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Tsy vitan’ireo môtô sendra mipetrapetraka eny amoron-dalana intsony fa efa voakarok’ireo olon-dratsy hatramin’ny môtô mipetraka tsara anaty tokontany na ao an-trano, toy ity tetsy Ambohipo ity. Ankoatry ny azo am-pitaka eny an-dalana sy fanendahana ankitsirano moa izany.
m.L