- Publicité -
dimanche, juillet 27, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohipo : Mpangalatra moto telolahy tratra am-bodiomby

Ambohipo : Mpangalatra moto telolahy tratra am-bodiomby

Efa nampikolay ny mponina teny amin’iny faritra Ambohipo sy ny manodidina iny ireto telo lahy voasambotry ny polisy avy ao amin’ny boriboritany faharoa ireto, amin’ny fangalarana môtô. Ny Talata alina lasa teo, teo amina Karaoke iray teny an-toerana, tratra am-bodiomby mihitsy izy telolahy ireto teo am-panosehana ilay môtô. Ny tompon’ity farany, olona tao amin’ny Karaoke ihany no nahita azy ireto, ka avy hatrany dia niantsoantso. Rifatra nitsoaka izy telolahy, niezaka nitarika ity scooter halatra ity. Tsy nety lasa lavitra anefa, hany ka navelan-dry zalahy teo ilay môtô ary nanao tari-dositra izy ireo hatreo. Tonga avy hatrany teny an-toerana ny mpitandro filaminana ary raikitra ny fanenjehana. Araka ny loharanom-baovao dia teny Andohan’i Mandroseza no voasambotra ny roalahy, io alina io ihany ary dia nentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny polisy. Tamin’ny fanadihadiana nataon’ireo mpitandro ny filaminana azy ireo no nahafantarana ny toerana nisy ilay namany iray hafa, tany Andasibe, izay noraisim-potsiny teny an-toerana ihany koa, omaly maraina. Lainga marivo-tototra ny namalian’izy ireo ny fanontanian’ireo mpitandro ny filaminana, satria dia nambarany fa mamo ry zalahy dia tsy fantany intsony ilay môtô nentiny. Nambaran’ireo nahita anefa fa tsy nisy nitondra môtô ireto jiolahy ireto, talohan’ny nidirany tao amin’ilay Karaoke. Na izany aza anefa dia niaiky ny heloka vitany ireto olon-dratsy ireto nony farany. Anio no fantatra fa atolotra ny fampanoavana ireto mpangalatra môtô ireto. Inoana araka izany fa mba hilamindamina indray aloha ny fangalarana môtô eny amin’iny faritra iny, amin’izao ezaka nataon’ny mpitandro filaminana izao.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser