- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohipo : Mpangalatra tefefaonina saika nodoran’ny olona

Ambohipo : Mpangalatra tefefaonina saika nodoran’ny olona

Raha tsy niditra an-tsehatra nifanampy ny mpitandro ny filaminana sy ny olona tsara sitra-po dia efa nivadika kitoza ilay tovolahy. Tokony ho tamin’ny 12 ora atoandro omaly, teo amin’ny kianja filalaovana basket tao Ankatso, nisy nahatsikaritra ny nangalaran’ilay tovolahy ny finday an’ny mpilalao iray. Tsy lasa lavitra fa voasambotra teo an-toerana ihany ny tenany. Tezitra mafy ny vatan-dehilahy maro ary nanomboka nidaroka azy. Saingy tsy vitan’izany satria niitatra ny hatezerana ary nitsiry ny hevitra ny amin’ny hanomezana sazy farantampony ilay tovolahy : hodorana velona. Nentina nitety an’Ankatso aloha ary norovirovizina teo an-toerana mba ho hitan’ny olona. Avy eo nizotra nankany Ambohipo izay toerana handorana azy. Tapaka hatramin’ny làlana satria vetivety foana dia vory ny olona mba hijery ny zava-niseho sy handray anjara amin’ilay fitsaram-bahoaka. Soa fa nisy pôlisy nanao fanamiana sivily izay nahatsikaritra ny zava-nisy tao an-toerana. Niditra an-tsehatra tsimoramora io farany ary naka taxi mba hitondràna ilay lehilahy niala teo. Nifanojo ihany koa izany tamin’ny fahatongavan’ny pôlisy avy eo amin’ny boriborin-tany faharoa izay nanampy tamin’ny fanalàna ilay tovolahy teo an-toerana. “Efa eto am-pelan-tananay ilay tovolahy ary tsy maintsy narovana ny ainy tamin’ny fanesorana azy faran’izay maika teo Ambohipo. Nosokafana ny fanadihadiana na dia tsy mbola nisy aza ny mpitory. Tsy maintsy hatolotra ny fampanoavana izy sy ny tatitra izay ataonay” raha araka ny fanazavan’ny komiseran’ny boriborin-tany faharoa. Mizotra any amin’ny fiverenana tamin’ny andro fahiny ny eto amintsika ankehitriny. Betsaka ny antony ary samy manana ny fijeriny azy, isaky ny misy fitsaram-bahoaka. Ao no milaza fa misy mamoy izany ary misy ambadika pôlitika arak’izany. Ao ihany koa no mahita fa misy tsy fahatokisana ny rafitra izay misy. Fantatra ankehitriny fa misy manam-pahaizana momba ny fiaraha-monina izay manao fanadihadiana izay tena antony nitarika ity fiverenana any amin’ny fanao ratsy ity. Handrasana ny valin’izany mba hahitàna vahaolana mety ho siantifika kokoa…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici