- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohipo : Olona telopolo nosamborin’ny UIR

Ambohipo : Olona telopolo nosamborin’ny UIR

Mbola misy sahy mivoha aorian’ny amin’ny sivy alina ihany ny” bar “sasany .
Mbola misy sahy mivoha aorian’ny amin’ny sivy alina ihany ny” bar “sasany .

Tsy nampoizin’ny mpivoaka alina mihitsy ny fidinan’ny pôlisy misahana ny vonjitaitra tetsy Ambohipo. Mbola tao anatin’ny “revy” ny maro no nasaina namoaka karatra. Nohidina avy hatrany ihany koa ary nampitandremana mba tsy hamerina intsony ireo toeram-pivarotan-toaka sy “bar”. Tokony ho tamin’ny folo ora alina teo ireo pôlisy mitam-basy no tonga nandrava ireo tsy manara-dalàna : ireo mpigafy, ireo tsy misy karatra ary ireo mpivarotra. Nahatratra 30 ny olona izay voatery nentina teny amin’ny kaomisaria foibe, noho ireo tsy fanarahan-dalàna izay voalaza etsy ambony. Tsy nampoizin’ny maro ny fidinana an-tsehatra tampotampoka ataon’ny pôlisy ary izany no mahatonga ireo voasambotra ho marobe hatrany. Fepetra faran’izay kely izay tokony harahin’ny olom-pirenena ny fitondràna kara-panondro na koa taratasy mety hamantarana azy rehefa mivoaka alina. Ny zava-misy anefa eny amin’ireny toerana fisotroan-toaka ireny dia saika ny ankamaroan’izay savaina no tsy manana an’izany. Rehefa samborina indray izy ireo dia tezitra ary milaza fa hiharan’ny tsy rariny. Torak’izany ihany koa ireo mpivaro-toaka izay efa mazava tsara ny lalàna mipetraka, fa amin’ny sivy ora alina farafahatarany no tokony hihidy. Efa nitranga tamin’ny toerana maro teto an-drenivohitra ny fampiharana ny lalàna avy amin’ny fampiasan-kery. Isan’ny nahita faisana tamin’izany Analakely, Ampasampito, Ambohimanarina. Toa tsy mba nahamailo an’Ambohipo anefa izany fa notohizany hatrany ny hetsika amin’ny alina. Misy vokany ihany ny fampiharana ny lalàna avy amin’ny hery raha oharina amin’ny eto an-drenivohitra. Tsikaritra fa mba mihena mantsy ny asan-jiolahy tato ho ato. Aiza tokoa moa no miainga ny hevi-dratsy raha tsy avy amin’ny alàlan’ny fisotroana ihany?

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser