- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversAmbohipo : Raikitra ny- ady, olona telo voatsatoka antsy

Ambohipo : Raikitra ny- ady, olona telo voatsatoka antsy

Ny alin’ny alakamsiy teo, raikitra ny ady teo amina samy mpianatra teny amin’ny faritra Ambohipo. Vokany, nivoaka ny antsy ary olona telo no voan’izany. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa ny iray no tena voa mafy, voatsatoka teo amin’ny lamosiny ary nivoaka taty amin’ny tratrany. Ireo roa faha somary maivana ihany na dia niantefa teny amin’ny lohany aza ny antsy. Tsy maintsy nentina notsaboina eny amin’ny hopitaly Ampefiloha izy ireo. Ilay tena voa mafy moa dia mbola manaraka fitsaboana amin’izao fotoana izao.

Tsy fantatra marina ny niatombohan’ity ady ity. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa  samy nisotrosotro tamina trano fisotroana ireo olona ireo. Izay niavian’ny fifamalina tsy hay. Niakatra ny feo ary farany samy tsy nahatsindry fo. Dia samy lasa nivoaka ny trano. Nifanaraka tany ivelany tany ka mbola nifandramatra ihany. Nivoaka ny antsy ary dia izany no nisian’ireo naratra.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser