Teo imasom-bahoaka no niseho ny fifamalian’ilay vehivavy iray, izay raha ny filazan’ny olona dia mpizara fahafinaretana sy ny vazaha iray izay naka azy momba izany. Saingy nipoitra ny olana rehefa tsy nandoa vola araka ny nifanarahana io vahiny io. Noho ny fifamaliana izay nanakotaba ny mpanjifa sasany tao amin’ilay hotely fandraisam-bahiny dia voatery navoakan’ny tomponandraikitra tao. Teo ivelany dia mbola nitohy ny hatezeran’ilay vehivavy izay rehefa mbola tsy nety nandoa vola ihany ilay vazaha dia namokona totohondry amin’izay itsy voalohany ary nidaroka. Nisesisesy ny totohondry sy ny daka ary tena nanampatra ny hatezerany tanteraka ilay voalaza ho mpivaro-tena. Namoaka vola ihany rangahy nony farany ary nomeny 5000 ariary ny ankilany. Nidina kely ny hafanana teo saingy mbola tsy nahafa-po ilay vehivavy izay mbola nanohy kely faramparany ny daroka izay vao nandeha. Azon’ny olona sary sy horonan-tsary ny zava-nitranga rehetra ary nisy mihitsy aza ny nizara an’izany tamin’ny tambajotra sosialy. Mitovitovy amin’izao ihany fa saingy tany amin’ny toeran-kafa indray, tany amin’ny hotely iray manamorona ny lalam-pirenena voalohany, dia nisy teratany vahiny iray hafa koa voadaroka ary naratra mafy. Io indray dia niaraka tamin’ny vehivavy iray izay manan-janaka miasa ao amin’ny hotely nipetrahany ihany. Sosotra tamin’ny fiarahan’ireo olona roa ilay lehilahy zanany ary saika hidaroka ny reniny izay nitsoaka tao amin’ny efitrano nisy ilay vazaha. Vokatr’izany dia mba niaro koa io teratany vahiny io ary izy indray no niantefan’ny hatezerana. Naratra mafy voatsatoky ny zava-maranitra izy ary voatery nofatorana mihitsy ny faritra izay naratra mba nanohanana ny rà, mandram-pahatongany tany amin’ny toeram-pitsaboana, izay vao avotra ilay vazaha.
D.R