- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversAmbohipo : Taxi-be tapaka « frein » nandratra olona valo

Ambohipo : Taxi-be tapaka « frein » nandratra olona valo

Omaly tamin’ny 2 ora, nisy lozam-pifamoivoizana niseho teny Ambohipo amin’ilay fidinana hihazo an’Andohanimandroseza iny. Taxi-be iray tapaka frein no fantatra fa nifatratra tany amina trano fivarotana. Vokany: olona telo ambinifolo no naratra ary tsy maintsy nentina haingana tany amin’ny hopitaly.

Teo Andohanimandroseza, teo akaikin’ny “poteau”, dia efa toa hafahafa ny fidinan’ny taxi-be mazda 164, tsy nisy intsony ny tsindry hisatra ka dia namantana nifaoka mpandeha an-tongotra sy mpivarotra amoron-dalana, izay nanamorona ny arabe midina iny, ilay fiara . Niafara tao anaty tranohazo fivarotana ny diany. Tamin’ny nandalovanay teny amin’ny hopitaly dia olona efatra sisa no mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny “urgence”, fa ny tena voa mafy dia ilay zazavavikely telo ambini folo volana; izay notrotroin-dreniny ka nitrosona tamin’ny tany. Voadona sy kiaka tamin’izany ny lohan’ilay zaza ka arahi-maso akaiky ao amin’ny hopitaly. Ny sasany kosa moa dia efa nalefa nody rehefa avy nahazo ny fitsaboana sahaza.

ALEM

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser