- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohipo : Torabato variraraka amin’ny tranon’ny Jirama isaky ny misy delestazy

Ambohipo : Torabato variraraka amin’ny tranon’ny Jirama isaky ny misy delestazy

Ny alahady alina tokony ho teo amin’ny fito ka hatramin’ny valo latsaka teo dia tapaka indray ny jiro teny Ambohipo ka saika hiafara tamin’ny fandorana ny « sous-agence » nyJirama rahanaharitraritra ny fahatapahan’ny jiro.

« Hatramin’ny nanombohan’ny delestazy lava ireny dia efa matetika ataon’ny andian’olona lasibatra io toerana io. Amin’ny alalan’ny torabato, kiakiaka teny ratsy, mampaneno kiririoka, mandoro « pneu » latabatry ny mpivarotra eo amin’ny manodidina no hanehoany ny ahelony ». araka ny loharanom-baovao. Efa vaky noho ny torabato ny fitaratra eo amin’ny varavarankelin’io toerana io sy ny eo amin’ny « caisse » ao anatiny efa maromaro andro zay. Fa ny tamin’ny alahady farany teo efa manana « mégaphone » mihitsy ry zareo, ary misy nahita fa nisy nitondra lasantsy ka tsy fantatra izay nokasainy hatao raha tarakely ny fiverenan’ny jiro. Olona marobe monina eny Ambohipo cité no miakatra avy any miaraka amin’olona sasany izay manararaotra manakana ny fivezivezen’ny vahoaka sy mandoro fananan’olona eo anivon-dalana no ataony. Tamin’indray mandeha dia misy fiaran’olona saika hirehitra mihitsy noho ity grevin’ny jiro tapaka itony. Na dia fiara mijanona eo amin’ny sisin-dalana aza tsy avelany esorina akaikin’ny afo izay mirehitra hany ka mampiheritreritra ny mponina sao dia efa tsy heloka amin’ny jirama ihany ilay izy fa efa zavatra hafa mihitsy. Ka noho izany dia miangavy ny mponina eny amin’ny manodidina mba tsy ho amaivanin’ny mpitondra fanjakana ity raharaha ity fa sao dia miafara amin’ny loza mihoatra ny izay efa niseho.

BJ.Chirac

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici