- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohipo : Vaky trano, fandrobana, olona valo nosamborin’ny pôlisy

Ambohipo : Vaky trano, fandrobana, olona valo nosamborin’ny pôlisy

Nisesisesy ny vaky trano teny amin’ny faritra Ambolokandrina sy Ambohipo iny. Noho ny ezaky ny pôlisy izay miezaka manatona foana ny vahoaka sy ho fiarovana azy dia jiolahy mpamaky trano miisa valo no voasambotry ny pôlisy avy amin’ny Boriborintany Faharoa etsy Ambohijatovo, ny zoma lasa teo. Tamin’ny alalan’ny fanangonam-baovao sy olona tsara sitrapo, taorian’ny fitarainana tamin’ireo vaky trano nisesisesy, niisa sivy, no nahafahana nisambotra ireo olon-dratsy ireo. Telo izy ireo voasambotra voalohany. Taoriana ny fanadihadiana natao tamin’izy ireo no nanondroany ny namany, mpiray tsikombakomba tamin’ity resaka vaky trano ity. Olona dimy indray no tratran’ny fandriky ny mpitandro filaminana avy eo. Mbola tratra tany amin’izy ihany koa ny fitaovana fampiasany tamin’izany asa ratsiny izany ka anisan’ireny baramina, ny bar à pince. Nahatrarana fanamiana mpitandro filaminana ihany tany amin’izy ireo niaraka tamina rongony 21 fonosana. Raha ny fampitam-baovao azo dia isan’ny teknika fentin’izy mamaky trano ny mamotika varavaran-kely sy varavarambe. Ary rehefa tafiditra ao an-trano izy ireo dia lasibatra ireo kojakoja madinika sy ireo fitaovana fampiasa ao an-tokantrano, toy  ny fahitalavitra, ny radio, lecteur, sy ireo entana misy vidiny rehetra. Araka ny fantatra hatrany dia eny Isotry no hivarotan’ireo jiolahy ireto ny entana avy nangalarina. Marihana, araka ny vaovao voaray hatrany fa efa nisy tamin’ireo olon-dratsy ireo no efa nigadra sy mbola manana raharaha hafa mahavoarohirohy azy, ao amin’ny Kaomisaria boriborintany faharoa hatrany. Ka anisan’izany ny fanaparitahana zava-mahadomelina. Inoana fa hilamina amin’izay iny faritra iny, taorian’izao vokatra nataon’ny polisim-pirenena izao. Natolotra ny fampanoavana omaly ireto olon-dratsy ireto ary notazomina vonjimaika eny Antanimora.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser