Zava-doza no nafitsok’ity raimpianakaviana iray monina eny Ambohipotsy ity. Araka ny filazan’ny manodidina dia ankizy niantso vonjy no nanaitra ny fiaraha-monina ka nahatonga azy ireo nijery ny toerana niavian’ilay feo. Nihidy moa ny trano nisy azy ireo ka voatery nosokafana izany. Gaga akory anefa ny hatairan’ireo olona nahita ireto nahita ireto zaza samy mifatotra.
Ilay zazalahy kely mifatotra ny tanana sy ny tongony fa ilay zazavavy kely kosa dia sady nafatotra ny tanany sy ny tongony no mihantona tsy nipetraka tamin’ny tany ny tenany. Taorian’izay moa dia tonga ilay Raim-pianakaviana nampijaly ireto zaza ireto ka saika niharan’ny fitsaram-bahoaka raha tsy teo ny sefo fokontany ary tonga ihany koa ny Polisy nisambotra avy hatrany ity lehilahy Ity.
Fantatra tao anatin’ny fanadihadiana fa zana-badiny ireto zaza nampijaliany ireto ary lasa niasa ny renin’ilay zaza ka izy ireo irery no tao an-trano. Nambarany fa noho ny ditra nataon’ireto ankizy no antony nanaovany izany ary fanaony ny manafay azy ireo toy izao.
09 taona ilay zazalahy ary 6taona kosa ilay zazavavy kely. Mafy ny fatotra nahazo ireo ary niofaka mihitsy ny tanana sy tongotr’ireto ankizy. Voatazona eny amin’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona eny Tsaralalàna moa ity rangahy ity ankehitriny miandry ny anolorana azy ny fitsarana tsy ho ela.
T.M.