Jiolahy teo amin’ny 15 teo mirongo basy kalaky sy basy poleta no nanakan-dalana teo amin’ny lalana RIP 112, tamin’ny toerana antsoina hoe, Ambohikely, fokontany Ambodiharina, kaominina Ambohitompoina, distrika Antanifotsy, ny zoma lasa teo, tokony ho tamin’ny 7ora sy sasany hariva teo. Fiara telo, niampy môtôbe iray no lasibatra tamin’izany. Naratra vokatry ny fanafihana ny olona sivy. Vola mahery ny 10 tapitrisa ariary kosa no lasan’ireo jiolahy, raha ny loharanom-baovao azo hatrany. Araka ny fanazavana dia nasian’ireo jiolahy hazobe nitsivalana teo am-povoan-dalana. Tratran’ny fandrik’ireto malaso ireto tamin’izany ny fiara tsy mataho-dalana roa, mitondra ny marika Land Rover, niampy môtô be iray Honda, ary kamiô, hiakatra ho aty an-drenivohitra. Vao tafajanona ireo fiara ireo dia avy hatrany dia nirarakompana ny tora-baton’ireo jiolahy miaraka tamin’ny fanambanana basy. Naratra vokatr’ireo tora-bao ny mpandeha sivy, vaky noho izany ihany koa ny fitaratra alohan’ilay fiara tsy mataho-dalana iray. Nafatatotr’ireo andian-jiolahy avy eo ireo olona rehetra tao anaty fiara ary nendahin’izy ireo izay entana rehetra teny aminy. Lasan’izy ireo ny lamba isan-karazany, niaraka tamina finday 40 ary ny volabe 10 tapitrisa ariary. Araka ny fantatra hatrany dia tsy nanapoaka basy ireto malaso mpanankan-dalana ireto. Raha efa ela no tsy nandrenesana fanakan-dalana tamin’iny faritra iny , izao nitranga izao indray. Efa eo am-pelantan’ny zandary ny raharaha amin’izao fotoana izao. Nentina namonjy toeram-pitsaboana haingana kosa ireo naratra.
m.L