Tanàna somary mitoka-monina ihany ny kaominina Ambohitompoina Antanifotsy noho ny faharatsian’ny lalana. Manjaka noho izany ny tsy fandriam-pahalemana indrindra any amin’ireo tanàna somary mihataka ny renivohitry ny kaominina. Isan’ny lasibatra amin’izany ny ao amin’ny tanàna atao hoe Andranofady-Mangarira. Nitrangana fanafihana tao amin’io tanàna io ny Sabotsy maraina be tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany tany ho any. Jiolahy manodidina ny 12 lahy mirongo fiadiana no voalaza fa nanao ny fanafihana ka ny iray tamin’izy ireo ihany no nisaron-tava. Ahian’ny fokonolona ho olom-pantatra mahalala tsara ny fianakaviana izy io. Tokantranona mpivarotra rahateo ity voatafika ity ka fantatr’ireo jiolahy ny fisiana vola tao aminy. Ny vola avy hatrany no notakian’ireo jiolahy vantany vao tafiditra ny trano. Saika tsy hanome ihany ny voatafika saingy vokatry ny daroka sy ny fandrahonana ho faty dia navoaka ihany ny vola, izay mitetina 10 tapitrisa eo raha ny fanazavana. Lasa avy hatrany ireo jiolahy rehefa nahazo izay nilainy. Tsy nisy sahy namaly sy nanaraka moa ny fokonolona noho ny tahotra ny fitaovam-piadiana nentin’ireo mpanafika. Naratra mafy vokatry ny daroka nahazo azy ilay rangahy ka ny fokonolona no nilanja azy an-tongotra namonjy toeram-pitsabona tao Ambohitompoina.
Andry N.