- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohitompoina Antanifotsy : Mpianatra ho masera nihetsika ambalavelona

Ambohitompoina Antanifotsy : Mpianatra ho masera nihetsika ambalavelona

Mpiatrana ho masera miisa 6 no  nihetsika ambalavelona tao amin’ny kaominina ambanivohitra ambohintompoina distrikan’Antanifotsy. Ny mpianatra matetika no fantatra fa ietsehan’ity ambalavelona ity fa tamin’ity kosa dia ireo mpiofana relijiozy mihitsy no nisehoany. Midika izany fa tsy mifidy asiana koa ity aretina ity fa mety hisehoany avoka izay tiany hisehoana. Raha ny angom-baovao dia fantatra fa teo am-pivavahana no nihetsika ilay ambalavelona nahazo ny relijiozy iray. Nifamonjena haingana ity farany ary tsy nahatazona azy raha tsy lehilahy matanjaka. Toy ny efa fandre matetika dia mitraotraotra no mihinjitrinjitra ny fisehoan’ny aretina, mitsoaka toy ireny misy manenjika ireny ary mikiakiaka mafy be. Tsy mahatsiaro ny zavantra nataony ilay mihetsika ambalavelona rehefa tonga saina,  mitantaraka kosa fa mahita ireo namany latsaka anaty rano ary sempotra daholo. Ankoatra izay dia ambarany fa misy lehilahy mainty be manalokaloka sy mampatahotra azy. Raha mbola tsy sitrana ity nihetsehan’ny ambalavelona ity dia telo andro taoriana ny nahavoa azy dia mpiofana ho masera miisa 5 hafa koa no indray nihetsika.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici