- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohitrabiby : Fokontany roa no indray notetezin’ny jiolahy

Ambohitrabiby : Fokontany roa no indray notetezin’ny jiolahy

Tsy mivoaka lavitra an’andrenivohitra akory no misy an’Ambohitrabiby. Eo amin’ny 15 kilaometatra miala an’Antananarivo kanefa dia efa asan-jiolahy toa ny any amin’ny tany tsy misy fanjakàna no mitranga. Fokontany roa no indray nasesin’ny roapolo lahy mitam-piadiana ny alin’ny alatsinainy teo. Ary tena nanaram-po tokoa ireo olon-dratsy tamin’ny fanatontosàna ny asany satria naharitra fotoana ela izany. Izay namaly na olona nampiahiahy azy ireo dia voadaroka avokoa, raha araka ny fanazavàna avy amin’ny mponina. Vokatr’izany dia nisy olona am-polony izay naratra vokatry ny herisetra nanjo azy ireo. Anatin’ny maitso ahitra tanteraka ny any ambanivohitra izao ary izay dia miteraka tsy fandriam-pahalemana. Nisy ireny orana nisesy ireny koa ary vao mainka nanamora ny asan’ireo jiolahy izay tonga tampoka miaraka amin’ny basy mba hanafika. Vola an-tapitrisany maro no azon’ireo rehefa natao ny kajy tsotsotra ka samy nitantara ny fahavoazany ny tokantrano izay niharan’ny fandrobàna. Matoa ny jiolahy sahy ny mitety tokantrano ary tsy vitan’izay aza fa mitety fokontany mihitsy, dia noho ny fahafantaran’ireo fa lavitra azy ny mpitandro ny filaminana. Mihorohoro ny olona ankehitriny raha vao maizina ny andro, indrindra any amin’ireo tanàna izay manodidina an’andrenivohitra ka lavitra paositry ny mpitandro ny filaminana. Isan’ny mitondra faisana matetika amin’izay koa ireo fokontany ao anatin’ny kaominina Tsiafahy sy Ambohijanaka.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici