- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohitrakely : Fatin-jaza vao teraka, nariana tanaty daba-pako, notaritarin’ny alika

Ambohitrakely : Fatin-jaza vao teraka, nariana tanaty daba-pako, notaritarin’ny alika

Akory ny hatairan’ireo mponina teny amin’iny faritra Ambohitrakely iny, ny voalohan’ny herinandro teo rehefa nahita fatin-jaza, notaritaritin’ny alika tao anaty daba-pako iray teny an-toerana. Efa rotidrotika tanteraka ny vatany sy ny ratsam-batany sy ny lohany tamin’ny fotoana nahitàn’ireo mponina azy. Raha ny fanazavàna azo dia zazarano nisy nanary tao amin’io daba-pako io ity hita ity, ankevitry ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy teo. Tsy nisy nahita ary tsy fantatra rahateo ihany koa izao reny nahavanon-doza nahavita izany. Nampandrenesina teo no ho eo avy hatrany moa ireo tompon’andraikitra teo anivon’ny fokontany sy ny mpitandro filaminana, izay tonga teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy ary efa mandeha ny famotorana.

Fa ankoatr’ity teny Ambohitrakely ity dia fantatra ihany koa fa zazavavikely vao teraka, mbola miaraka amin’ny tadim-poitrany no nisy nanary teny amin’iny faritra Anosibe iny, ny voalohan’ny herinandro teo hatrany. Nataon’ilay tsy mataho-tody tao anaty harona « sachet » ary natsipiny tao anaty tatatra teny an-toerana. Efa vatana kely mangatsiaka no hitan’ireo olona sendra nandalo tamin’izany faritra izany. Tonga teny ihany koa ireo tompon’andraikitra ary nitondra ny razana nihazo ny tranom-paty. Efa eny am-pelan-tanan’ny manampahefana moa ny raharaha, hikarohana izay nahavanon-doza. Tsapa fa maromaro ihany ireo zaza vao teraka narian-dreniny tato ho ato izay. Marihana fa heloka bevava ary henjehin’ny lalàna tanteraka ny toe-javatra tahak’itony, izay mitovy tsy misy valaka amin’ny famonoana olona ankitsirano sy hiniana atao ihany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici