- Publicité -
vendredi, juin 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohitrakely : Tovolahy iray tratra niaraka tamina môtô halatra

Ambohitrakely : Tovolahy iray tratra niaraka tamina môtô halatra

Tamin’ny zoma teo, no tratran’ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faharoa teny Ambohitrakely, ny tovolahy iray niaraka tamina môtô cross halatra. Rehefa natao ny fanadihadiana azy, dia nolazainy fa môtô novidiny 1 400 000 ariary niaraka tamina môtô kely iray hafa io hita teny aminy io. Tsy nisy anefa taratasy fifampivarotana na taratasy mikasika ireo môtô roa ireo tany aminy. Manamarika ny vaovao, fa mitetina hatrany amin’ny 800 000 ariary ny vidin’ilay môtô lehibe. Rehefa niroso lalindalina ny famotorana, dia niteny ilay tovolahy fa olona iray no nividianany an’ireo môtô ary nanondro toerana izy. Rehefa nojerena izany, hay trano fanafenana môtô halatra fotsiny ilay izy, fa tsy misy olona mipetraka akory. Mandeha ny fikarohana an’ireo olona notondroin’ilay tovolahy amin’izao fotoana izao.

Nisy olona tonga tany amin’ny biraon’ny polisy Ambohijatovo, fa very môtô ny 30 oktobra 2014. Teny Andohalo no nahavery an’ity kodiaran-droa ity. Nilazany ny mpitandro filaminana fa hitany nentin’olona io môtô io, ny zoma lasa teo tokony ho tamin’ny 6 ora hariva. Tsy niandry ela moa ireo polisy, fa nandeha teny amin’ilay toerana voatondro ary izao tratra izao ilay olona. Hita ihany koa ny môtô.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser