Hatreto dia tsy mbola fantatra mazava izay tena antony nahatonga ity lehilahy iray nifatotra teo. Tsy vitan’izay fa sady naratra be, toa avy novonoina izany. Efa eny am-pelatananan’ny mpitandro filaminana ny raharaha.
Hagagana sy hatairana avokoa ny an’ireo mpandalo maraina teny amin’iny faritra Ambohitrimanjaka iny, omaly. Lehilahy iray, mihosin-drà sy mivontovonto endrika no nifatotra tamin’ireo « poteau » iray tsy lavitra ny tetezana Ambohitrimanjaka. Tsy nisy olona manodidina ary tsy nisy namantarana izay antony nahatonga azy teo ihany koa. Izy efa io nifatotra io no hitan’ny olona. Nampandrenesina avy hatrany moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana, mahakasika izany tranga izany. Ny polisy no tonga voalohany teo amin’ny toerana ary niantso ny zandary, izay tompom-paritra. « Tonga haingana teny an-toerana izahay, hoy ny lehiben’ny zandary avy ao amin’ny zanatobim-paritra Ambohitrimanjaka. Ny namaha ny fatorany sy nitondra azy avy hatrany tany amin’ny toeram-pitsaboana no natao voalohany aloha ». Araka ny filazan’ireo zandary hatrany dia naratra be teo amin’ny lohany sy ny tarehiny ity lehilahy ity, toy ireny olona avy nodarohana sy novonoina ireny. « Mbola mahatsiaro tena tsara izy, saingy tsy nahitan-teny mihitsy fa mivandravandra fotsiny, rehefa nanontaniana ny nahavoa azy » hoy hatrany ny fanazavana. Tsy vitan’ny tao amin’ny CSB II nitondrana azy moa ny fitsaboana ka tsy maintsy nahiditra hôpitaly.
Raha ny angom-baovao azonay teny an-toerana dia ankevitry ny tafiditra tamin’ny tananan’olona tany ho any izy io. Tra-tehak’ireo tompon-tanana ary io nentin’izy ireo nofatorana teo io, rehefa avy nodarohana. Ary rehefa hitan’izy ireo fa olona tsy salama saina dia io nofatoran’izy ireo teo io fotsiny, niandry izay havany na izay nahafantatra azy. « Ireo havany izay nantsoina no nahafantaranay fa olona tsy salama saina izy io. Raha ny antony nahatonga ny fatotra sy ny ratra dia mbola eo an-dalam-panadihadiana izahay », hoy ny fanazavana azo teo anivon’ny zandary hatrany.
m.L