- Publicité SW45 -
mardi, juillet 9, 2024
AccueilFaits-DiversAmbohitrarahaba : Fahatratrarana sokatra 200, Sinoa telo nalefa eny Antanimora

Ambohitrarahaba : Fahatratrarana sokatra 200, Sinoa telo nalefa eny Antanimora

Tamin’ny tsy nampoizina no nahafantarana fisian’ny sokatra tao amina tranona Sinoa

Omaly no nandalo teny amin’ny mpitsara mpanao famotorana ny teratany miisa telo noho ny fahatratrarana sokatra kely miisa 200 tao amin’ny trano onenany eny Ambohitrarahaba. Avy hatrany moa izy ireo dia nalefa vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora miandry ny fitsarana azy. Ny zandary ao amin’ny Brigade Tana ville no nisahana ny famotorana.

Tamin’ny kisendrasendra ihany no nahitana ireo sokatra tao amin’ilay trano. Ny alakamisy faha-29 janoary, nisy zavatra hafahafa niseho teny Ambohitrarahaba. Nisy teratany sinoa hitan’ny olona nanenjika vehivavy mpîasa ao aminy tamin’ny sabatra ary voalaza fa nikasa ny hampiasa an’ilay sabatra mihitsy. Taitra ny manodidina nahita izany ka nanomboka nitangorona. Nisy koa anefa ny nampandre ny tao amin’ny fokontany. Tonga ireo tompon’andrikitra niaraka tamin’ny kartie mobily notarihan’ny lehiben’ny fokontany. Niroso nanadihady izay tena zavatra nisy marina. Rehefa izany dia ry zareo ireo indray no nampandre ny zandary avy eny Ankadikely. Tetsy andaniny, nihatonga tsikelikely ny olona nitangorona tao amin’ilay trano. Niroso niditra ny mpitandro filaminana nanadihady. Tamin’izany fotoana izany no nahitana ireo sokatra marobe ireo natao tao anaty gony miisa roa. Tsy hay nofefena koa anefa ny olona fa nisy ny tafiditra tao amin’ilay tanàna mifefy ary nisy mihitsy aza ny tamboho rava tamin’io andro io. Ankoatra ireo biby ireo dia nisy koa ny vatosoa hita tao amin’ilay trano. Nahavariana ny maro koa ny nahita bitro maro dia maro. Teo amin’ny fisavoritahana dia nisy tamin’ireo olona tafiditra no nisambotra bitro ary dia nitondra an’izany.

Tamin’io andro io ihany, maro ny resaka nandeha teny an-toerana mikasika ny toetran’ity sinoa nitondra sabatra ity, izay voalaza fa tsy mahay miara-monina aman’olona. Nandritra ny tontolo andro no natao ny fanadihadiana. Rehefa izany dia nentina natao famotorana ny teratany sinoa miisa telo sy vehivavy malagasy iray. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa tokony ho tonga teny an-toerana io andro io ny tena tompon’ireo biby ireo saingy rehefa nahare ny zava nisy izy dia tsy nipoitra. Efa mandeha ny fikarohana azy. Ireo sokatra kosa dia efa nalefa eny Tsimbazaza amin’izao fotoana izoa.

r.s.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser