- Publicité SW45 -
jeudi, juillet 4, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohitrarahaba : Mpamily mamo nandona fiaran’ny Jirama

Ambohitrarahaba : Mpamily mamo nandona fiaran’ny Jirama

Omaly maraina, nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatrarana olona tamin’iny lala-manitsy, mampitohy an’Ambohitrarahaba sy Androhibe iny. Kamiao lehibe anankiray no nifandona tamin’ny fiara tsy mataho-dalan’ny orinasa Jirama sy fiarabe hafa anakiray. Izay samy nahitàna fahapotehana. Naratra vokatry ny dona nahazo azy ny mpamilin’ilay fiarabe iray voadona ka voatery nentina toeram-pitsaboana. Araka ny fantatra dia handeha hihazo an’Androhibe ilay kamiao nandona, raha handeha hiakatra aty Ambohitrarahaba kosa ireo ilay fiara 4×4 sy ilay fiarabe be hafa nanaraka azy. Filazan’ny teo anivon’ny mpitandro filaminana, taorian’ny fanadihadiana teny ifotony nataon’izy ireo ny hoe, tsy voafehin’ilay mpamilin’ity kamiao « Mercedes » ity izany fiara izany, noho izy io efa mamo tanteraka. Hany ka io nifatratra teny amin’ireto fiara nifanena taminy ireto. Teny an-toerana moa, raha nahita ilay mpamily efa tsy dia tompon’ny tenany intsony ireo nanatri-maso dia efa somary nampiaka-peo daholo. Samy vonton-katezerana loatra, noho ilay loza sy fanelingelenana ka saika hitarika hatrany amin’ny fitsaram-bahoaka. Ireo zandary tonga haingana teny an-toerana no niezaka nandamina ny raharaha ary nitondra avy hatrany ity mpamily namoa-doza ity, niala teo amin’ny toerana. Nentina nihazo avy hatrany ny biraon’ny zandary ary notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana, aorian’ny fisavàn’ny toakany. Marihana fa tapaka tanteraka izany lalana izany, vokatr’ity lozam-pifamoivoizana ity. Lalana izay maro mpampiasa ihany noho izy io tena manala fahasahirana amin’ny resaka fitohanana. Hany ka voatery nandray andraika nanesotra avy hatrany ireto fiara niaran-doza ireto ireo mpitandro filaminana, mba ahafahan’ny fifamoivoizana mizotra amin’ny laoniny.

Ankoatr’ity teny Ambohitrarahaba dia nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina ihany teny amin’iny faritra Imerikasinina ny faran’ny herinandro lasa teo. Fiara kely iray no tafavoaka ny lalana ary nivadibadika. Voatery nosokirina tao anatin’izany fiara izany mihitsy moa ireo olona anankiroa tao anatiny, izay soa ihany, raha ny fanazavana azo fa dia naninona loatra, tety ivelany. Na izany na tsy izany anefa, dia nentina ihany nihazo ny toeram-pitsaboana izy ireo. Efa nandray an-tanana ny raharaha sy nanao ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity moa ireo zandary avy eo anivon’ny tobim-paritra Ambohimalaza.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici