- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohitrarahaba : Mpamongady voatafika, olon-tsotra maty voatifitra

Ambohitrarahaba : Mpamongady voatafika, olon-tsotra maty voatifitra

Nirefodrefotra ny basy ny alin’ny zoma lasa teo tetsy Ambohitrarahaba. Tompona fivarotana am-bongadiny iray etsy Andravoahangy no efa nandrasan’ireo olon-dratsy kendri-tohana, teny an-toerana, tsy lavitry ny « arret 30 » hoy ny mponina teny. Lasa ny volabe. Mpandalo iray sendra nandalo teny an-toerana kosa no niantefan’ny balan’ireo olon-dratsy ary namoy ny ainy. Raha ny fanazavana azo dia ankevitry ny efa fantatr’ireto jiolahy ireto tanteraka ny mombamomba an’ity olona notafihan’izy ireo ity. Ny fe-piainany sy ny fomba fanaony isan’andro. Tamin’io andron’ny zoma io mantsy dia efa nomarihan’izy ireo tsara ny fiara nitondra ity mpamongady ity, izay an-dalana handeha hody. Efa fantatr’izy ireo rahateo ihany koa ny fisian’ny fitohanana teny an-toerana, tsy ahafahan’izany fiara izany mandeha mafy. Ny tena somary nahagaga aza moa dia nandeha tongotra ireto mpanafika, niaraka tamin’ny basy ary nisaron-tava. Vantany vao hitan’izy ireo ilay fiara dia nosakanany ary notereny sy norahonan’izy ireo ankitsirano ny tao anatin’ny fiara, hanome ny vola. Efa hain’izy ireo rahateo mantsy ny fisian’ny vola amin’ny sakaosy entin’io rangahy tompona tsena io. Tsy afa-nanohatra fa dia nanome tsy fidiny, izay notakian’ireo mpanafika ilay rangahy. Teo am-pitsoahana no voatery nampiasa ny basy teny am-pelan-tanany ireto jiolahy nentina nampitahorana ireo izay miana-kendry manaraka azy ireo.

Tamin’io fotoana io, indrindra no nisy mpandalo iray nandeha môtô, nanaraka ny dian’ireto mpanafika. Noheverin’ireto farany fa handeha hanenjika azy ity raim-pianakaviana ity ka dia norarafan’izy ireo ny basy. Nandriaka ny rà. Maty tsy tra-drano ity farany. Nirohorohoro avokoa ireo mponina teny an-toerana ary samy niezaka niantso mpitandro filaminana. Tonga ireto farany saingy efa dila efa ela ireo olon-dratsy. Nanao ny fanarahan-dia sy ny fisavàna ireo elakelan-trano rehetra sy izay mety ho lalana nodiavan’izany andian-jiolahy izany ireto farany saingy zava-poana aloha hatreo. Mbola ao anatin’izay fikarohana sy ny fanadihadiana izay moa ireto tompon’andraikitra amin’izao fotoana izao. Ny vatana mangatsiakan’ilay namoy ny ainy kosa dia efa natolotra ny fianakaviany, taorian’ny fitsirihana nataon’ireo tompon’andraikitra.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici