- Publicité -
jeudi, août 14, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohitrarahaba : Mpanendaka naratran’ny olona

Ambohitrarahaba : Mpanendaka naratran’ny olona

Andro maroamro lasa izay, nisy lehilahy, mbola tanora, nanendaka vehivavy teny amin’ny lalana avy eo Ambohitraharaba ho any Amboara raha miditra eo akaikin’ny fiantsonan’ny taxi-be. Efa tamin’ny 7 ora mahery tamin’izay. Vehivavy iray sendra tratra hariva no nendahan’ity bandy ity. Efa matetika ny zavatra sahala amin’izao amin’iny lalana iny. Misy araka izany ireo mponina manodidina efa miambina, indrindra amin’io ora voalaza io. Niantso vonjy ilay ramatoa. Vetivety anefa, nisy andian’olona tonga nanavotra azy. Tonga dia niharan’ny daroka ilay mpanendaka. Natoton’ireo mpiandry tanàna tamina tamboho ary voalaza fa vaky loha. Rehefa avotra ilay vehivavy dia samy lasa nandeha ny rehetra. Ilay mpanendaka koa nanao izay nanavotany ny ainy. Niezaka nandositra tsy ho any amin’ny arabe nefa dia mbola nifanehitra tamina mpiambina hafa ary voadaroka indray. Farany, niantso polisy niasa teny an-toera ny olona ary ireto fany no nitondra azy. Malaza amin’ny asa fanendahana iny lalana voalaza etsy mabony iny, indrindra raha vao manomboka ho maizina ny andro. Ny mponina dia samy miray feo fa bandy mipetraka tsy lavitra eny ihany ireo manararaotra manendaka ireo. Maro ny mahafantatra an-dry zalahy.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici