- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohitrarahaba : Mpiasa tratra alina, voaendaka sy voadaroka

Ambohitrarahaba : Mpiasa tratra alina, voaendaka sy voadaroka

Ilay bandikely tsy ampy taona, anisan’ireo mpanendaka.

Soa fa tonga haingana ireo pôlisy raha vao nahazo fampandrenesana, raha tsy izany dia mety ho efa ho zava-doza no niseho. Lehilahy iray, handeha hamonjy fodiana no  sendra ny tontakely teny amin’iny faritra Ambohitrarahaba iny, teo akaikin’ny toeram-pianarana « pont d’or », ny alin’ny talata lasa teo, tokony ho tamin’ny iraika ambin’ny folo ora tany ho any. Nohodidinin’ny andian’olona maromaro avy hatrany ity farany, izay tsy menatra ny nanendaka ireo rehetra teny aminy no mbola namono sy nidaroka ihany koa. Tamin’io fotoana io anefa, araka ny vaovao azo tamin’ny pôlisy, no nisy nahatsikaritra ny zava-niseho ary nampandre avy hatrany ny pôlisy. Nidina teny amin’ny toerana voalaza ireo mpitandro filaminana mpanao fisafoana. Vao nahatazana ireto farany ireo mpanendaka izay mbola teo am-pamonoana ilay lehilahy no nanao tari-dositra nitsoaka. Raikitra teo ny fifanenjehana ary voasambotra ny iray tamin’izy ireo : tovolahy vao 17 taona monja. Noezahina nenjehina sy nokarohana ihany ireo namany saingy efa nanjavona sy nafenin’ny alina. Ity voasambotra ity kosa nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny kaomisaria foibe Avaradrano, ho amin’ny famotorana azy. Raha ny voalazany dia nahita ity farany nandeha irery izy sy ny namany ka nohararaotin’izy ireo nanaovana ny asa ratsiny. Efa mandeha kosa ny fikarohana ireto andian’olona tafatsoaka ireto.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici