- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohitrarahaba : Tovovavy mpianatra naolana, hita faty voafatotra

Ambohitrarahaba : Tovovavy mpianatra naolana, hita faty voafatotra

Feno habibiana tanteraka ! Tovovavy iray 18 taona, mpianatra ao amin’ny Lycée Analamahitsy, no hita faty teny amin’iny faritra Ambohitrarahaba iny, ny alakamisy hariva teo.

Voafatotra ny tanany roa, ny tadin-kirarony ihany no nampiasaina. Niala ihany koa ny pataloany ary nafatotr’ireo tsy mataho-tody tamin’ny tendany, izay nahitàna faritra mangana, toy ireny nokendaina ireny. Nisy toa izany ihany koa teo amin’ny takolany roa. Tsy vitan’izay anefa, araka ny fizahana nataon’ireo mpitsabo nizaha ny razana teny an-toerana, fa mbola niharan’ny filan-dratsin’ireto mpamono ity tovovavy ity. Mbola nandeha rà mantsy ny fivaviany, araka ny vaovao voaray hatrany. Araka izany dia tena nampijalijalina tsy misy toa izany mihitsy ity ankizivavy ity, ary izany herisetra rehetra nihatra taminy izany no nahatonga ny fahatesany, araka ny fanambaran’ny mpitsabo. 60 metatra monja niala ny tranony, eny amin’iny faritra Ambohitrarahaba iny no nahitàn’ireo mpandalo ity vatana mangatsiaka an’ity tovovavy mahonena ity, tao anaty lobolobo, io alakamisy io, tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany hariva teo. Ny Filohan’ny fokontany teny an-toerana no nampandre avy hatrany ny zandary tao Ankadikely, izay tonga niaraka tamin’ireo mpitsabo.

Raha ny fantatra dia ny 29 martsa teo no tsy tonga intsony tany an-tranony ity mpianatra ity, raha hoe handeha hivoaka hitsangantsangana teny amoron’ny ranon’i Masay, tokony ho tamin’ny roa ora tolakandro teo. Fitsangantsangana izay voalaza fa nokarakarain’ny sekoly nianarany. Tokony ho tamin’ny enina ora hariva teo, no nisy nahita farany izy, raha naterin’ny tovolahy sakaizany teny akaikin’ny Fiangonana iray teny Analamahitsy. Hatreo anefa dia tsy hita tany nanjavonana intsony ilay tovovavy. Niandry ihany ny fianakaviana ny alin’io kanefa tsy nipoitra mihitsy izy. Ny marain’ny alakamisy, no nanapa-kevitra ny hampandre ny zandary tao amin’ny borigadin’Ankadikely ireto fianakaviana. Vaovao ratsy tanteraka anefa no heno ny harivan’io, rehefa ny vatana mangatsiakany sisa no hitan’ny fokonolona tao anaty lobolobo, tsy lavitra akory ny trano fonenany. Efa nandray an-tanana ny raharaha avy hatrany ireo zandary teny an-toerana, izay efa ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka amin’izao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici