Niala vao maraina tao an-trano, toy ny olon-drehetra hamonjy ny toeram-piasàna izy mivady omaly. Tsy nisy olana na koa zavatra no ahiahiana ary tsy neritreretina akory ny hoe hisy toe-javatra hitranga hahazo ny zanany. Ireo mpianadahy kely no tao an-trano, iaraha-mahalala, fa tsy misokatra ny sekoly noho ny ady amin’ny pesta. Loza iray, loza roa anefa no nitranga ny hariva, manodidina ny tamin’ny dimy, raha nody tao an-trano : maty ilay zazalahikely 12 taona ary tsy hita izay nanjavonan’ny zandriny vavikely enina taona. Fahafatesana niharo habibiana satria nivoaka hatramin’ny masony, raha araka ny loharanom-baovao naharaka ny zava-nisy. Raha ny re, dia omaly ihany diahita ilay vavikely ary teny Ambohidratrimo izy no navelan’ireo olon-dratsy. Talohan’izay, dia tsikaritra fa niparitaka tamin’ny tambajora sosialy ny sariny ary voamarika tamin’izany ny hoe nisy naka an-keriny izy. Rehefa nivoatra anefa ny vaovao tao anatin’ny ora vitsy monja dia fantatra fa nisy fifandraisany ny heloka bevava izay nitranga tao amin’ny tokantrano iray etsy Antanandrano, tsy mifanalavitra amin’Ambohitrarahaba, sy ny fahaverezany. Omaly ihany dia nandeha ny fikarohana rehetra nataon’ny zandary izay misahana ny fanadihadiana. Isan’ny heno ny fisian’ny mpiasa an-trano izay vao nesorina vao tsy ela akory izay. Isan’ny handehan’ny fanahiana ho nandray anjara mivantana na an-kolaka amin’ity zava-nitranga ity io farany. Tsy mbola fantatra kosa ny amin’ny fisian’ny entana very na tsia. Misesy ny heloka bevava ary tsy eto an-drenivohitra ihany. Ny olana anefa dia tsy tody hatramin’ny farany ny fanadihadiana noho ny tsy fahampian’ny fitaovana sy ny hoenti-manana manatontosa an’izany. Antoky ny fanjakana tsara tantana anefa ny fahalavorarian’ny fanadihadiana izay hahafahana mamantatra sy manasazy ny olon-dratsy…
D.R