- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversAmbohitrimanjaka : Jiolahy iray maty voatsindrona lefona

Ambohitrimanjaka : Jiolahy iray maty voatsindrona lefona

Ny sabotsy lasa teo, nisy nanafika ny mpivaron-kena iray teny Ambohitrimanjaka. Voatifitra teo amin’ny tongony ny tompon’ny tsena. Afaka niantso vonjeo kosa anefa izy. Tsy nisalasala ny mponina nivoaka nanampy ilay voatafika. Vokatr’ity fandrobana ity, naratra voan’ny bala teo amin’ny tongony ilay voaroba. Tetsy an-daniny, raha lasa nandeha nandositra aza ireo mpangalatra, nisy iray voatsatokana lefona teo amin’ny tratrany. Nitsoaka niala ny Tanana ireo jiolahy. Nanaraka ny olona ka voalaza fa tsy lasa hatranty amin’ny 100 metatra akory dia tratra ilay voan’ny lefona. Niharan’ny daroka izy na dia efa nanary aina. Ity asan-jiolahy ity no nahatafakatra 5 ny olona namoy ny ainy tamin’ny faran’ny herinandro lasa iny. Maro ny tatitra voaray rahany asan-jiolahy no resahina tao anatin’ny herinandro lasa. Tafiditra anisan’izany ny vaky fasana teny Ambohitrombihavana. Ny fanontaniana tsy mbola voavaly hatramin’izao dia ny hoe, rehefa voahodina ireo taolona dia atao inona, na alefa aiza?

r.s.

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser