Nanararaotra ny andro maizina, ny fiakaran’ny rano ary ny fisomebisebin’ireo mpitandro filaminana amin’ny famonjena voina ireto jiolahy, ka nihevitra azy tsy ho tratry ny aloka : nanafika tao amin’ny tokantrano iray tao Ambohitrimanjaka.
Ny alin’ny alatsinainy teo, tokony ho tamin’ny sivy ora alina tany ho any, jiolahy efatra mirongo fiadiana no tonga nanafika tao amin’ny tokantrano iray tao Mahitsy, Ambohitramanjaka, distrikan’Ambohidratrimo. Araka ny fitantaran’ireo niharam-boina, niparitaka tao amin’ny tambajotra sosialy, dia niezaka niaro ireto niharam-boina ny raim-pianakaviana roa lahy, havan’ireto voatafika, saingy avy hatrany dia notifirin’ireto tsy valahara ary naratra mafy vokatr’izay. Nitsoaka toy ny tsy teo ireo olon-dratsy rehefa avy nahavita izay nokasain’izy ireo natao. Nandritra izay kosa no efa niantso vonjy tamin’ireo zandary avy ao amin’ny zanatobim-paritra tao an-toerana ireto farany. Nidina avy hatrany tany amin’ny toerana voalaza ho nisian’ny fanafihana ny zandary. Nampandrenesina ihany koa ireo toby manodidina ary nisy ireo zandary hafa nalefa nanampy ireo efa teny an-toerana, hanenjika ireo mpanafika. Tsy lasa lavitra anefa fa nifanena tsy lavitra ilay tanàna nitrangan’ny fanafihana ireo mpitandro filaminana sy ireo jiolahy. Velona ny fifampitifirana ka nisy jiolahy iray maty voatifitra. Mbola nanao tari-dositra ihany anefa ireto farany ary niezaka niampita an’Ikopa. Efa niandry azy teny am-pita kosa ireo zandary avy etsy amin’ny tobim-paritra Ambohibao sy Ambohidratrimo. Nanohitra ireto mpanafika tamin’ny alalan’ny tifitra. Voatery namaly tifitra tetsy andanin’izay ireo zandary ka nisy iray tamin’ireo jiolahy indray no lavo, saingy avy hatrany dia nentin’ny rano nivalana ny fatiny. Mbola afa-nandositra ihany ny namany hafa, nanararaotra ny haizina sy ny rano. Ny talata, tokony ho tamin’ny iray ora maraina no voapaingotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Talamaty ny iray, niaraka tamin’ireo entana halatra, tetsy Tsaramasoandro Ambohitrimanjaka. Mbola misy anankiray araka izany miriaria any, ary efa an-dalam-pikarohana azy fatratra ireo mpitandro filaminana.
m.L