- Publicité -
mercredi, novembre 26, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohitrimanjaka : Lehilahy hita faty teny amoron-drano

Ambohitrimanjaka : Lehilahy hita faty teny amoron-drano

Lehilahy manodidina ny 40 taona eo ho eo no hita faty teny amin’ny amoron’Ikopa teny Ambohitrimanjaka, ny talata lasa teo. Araka ny fantatra dia efa andro maromaro no nahafaty ity raim-pianakaviana ity, araka ny fanazavana azo tany an-toerana. Mipetraka eny amin’iny faritra manodidina eny ihany ity lehilahy hita faty ity ary miasa amina orinasa iray eny amin’ny faritra Ambohidratrimo iny. Efa andro maromaro ihany no tsy hita tany nanjavonana ity lehilahy ity ary dia izao hita teny amoron-drano izao ny vatana mangatsiakany. Tsy fantatra hatreto na nisy namono dia natsipy tany anaty rano ity rangahy ity na hoe maty an-drano tsotra ity rangahy ity. Efa mandray an-tanana ny raharaha moa ireo mpitandro filaminana misahana iny faritra iny.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici