Vetivety dia vory ny fokonolona raha vao nahare ny antso vonjy nataon’ilay mpitaiza
Tamin’ny 20 desambra teo no niseho ity raharaha halatra zaza ity,tany amin’ny tanàna antsoina hoe Ambohimananjina eny Ambohitrimanjaka. Tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany tamin’izay. Nisy vehivahy mpanampy nitondra zaza roa nitsangatsangana somary lavitra ny fonenany. Tamin’izay fotoana izay, nisy lehilahy roa avy nanatona azy ary niteny ny hanomazana azy ny zaza iray. Tsy vitan’izany fa efa nosintoniny an-keriny mihitsy ilay zazakely 11 volana. Avy hatrany dia niantso vonjy mafy ilay mpitaiza zaza. Nisy nahare izany ka vetivety dia vory ny olona. Raha nahita izany ireto saika hangalatra ilay zaza dia rifatra nandositra. Toa tsy lasa lavitra anefa dia tratran’ny fokonolona ny iray. Tsy nisy ny fanazavana fa avy hatrany dia niharan’ny daroka teo ranamana. Samy namely avokoa izay teo amin’ny toerana nahatratrarana azy. Vokany, nahitana ratra bebe ihany ny tenany. Nivonto be ny lohany, ny tarehany ary ny tànany. Soa aloha fa mba tsy notaperin’ny olona ny ainy. Amin’izao fotoana izao mantsy, na dia zavatra kely tsy toy inona aza dia efa mampirehitra ny hatezeran’ny olona leo ny asan-jiolahy isan-karazany. Efa maro ireo olon-dratsy nitondra faisana ary tapitra hatramin’ny ainy, eo ihany koa ireo voadoro velona. Nampanantsoina rahateo ny zandary eny an-toerana,izay tonga nizaha ny zavanisy. Efa mandeha amin’izao fotoana izao ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana. Karohana fatratra ilay olona afaka nandositra.
r.s.