- Publicité SW45 -
samedi, mars 15, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohitrimanjaka : Notsatohany antsy ny vadiny, nodoroiny ny tranony

Ambohitrimanjaka : Notsatohany antsy ny vadiny, nodoroiny ny tranony

Hasarotampiaro mihoatra ny tokony ho izy ve sa  antony hafa? Lasa nankahalain-drangahy ny vady andefimandriny ary tonga hatramin’ny fikasihan-tànana azy matetika izany. Tsy nijanona teo aza fa tonga hatramin’ny fandoroana ny trano mihitsy tamin’ity indray mitoraka ity. Raikitra ny ady tao an-trano ary ankoatra ny daroka sy vono fanaon’ilay lehilahy dia nodoroiny indray koa ny trano, izay tsy nisy noraisina intsony. Voatery nitsoaka tao ilay ramatoa sy ny zanany ary namonjy ny reniny. Tonga tany indray rangahy andro vitsivitsy taorian’io. Raha noheverina fa hifona no anton-diany, hay ny hifofo ny ain’ilay vehivavy no tanjony. Navoakany ny antsy lava rehefa tafiditra tao an-trano izy ary tsy nisalasala ny nanindro an’izany avy hatrany ny vadiny. Teo amin’ny takiban’io farany no niditra ilay zavamaranitra ary niteraka ratra be. Soa fa mba nalaky tonga ny fokonolona, noho ny antsy vonjy nataon’ny tompon-trano. Nifandroritana ny antsy teny amin’ilay rangahy ary voasambotra ihany izy. Natolotra ny zandary ary efa natomboka ny fakàna am-bavany azy. Ny marary kosa nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana mba ho fanavotana ny ainy. Raha ny fanazavan’ny fianakaviany dia efa ela ilay rangahy no namoaka vava fa tsy maintsy ho fatiny ary horasarasainy  antsy io vadiny io. Ary dia tena nataony tokoa izany, saingy tsy tontosa. Raha ny fantatra dia manao tokantrano maso izy roa ary manana zanaka iray. Efa-taona izy ireo no niaraka ary matetika dia fifamaliana sy fikasihan-tànana hatrany no mitranga ao an-tokantranony. Maro ny nihevitra fa misy olana ara-tsaina io lehilahy io raha oharina amin’ny zava-bitany. Vitany ny nandoro ny trano fonenany sy ny ankohonany, vitany ihany koa ny nanindrona antsy ny vadiny. Mety tsy hisy dikany aminy izany ny hamono ny hafa na koa hamono ny tenany. Mety hiteraka olana amin’ny fiarahamoniny izany rehetra izany…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser