- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohitrimanjaka : Taxi-brousse saika lasan’ny rano

Ambohitrimanjaka : Taxi-brousse saika lasan’ny rano

Ny eo tsy ritra, mananintanina indray ity ny manaraka ! Ity fiarakan’ny rano ity no tiana holazaina eto, indrindra fa ireo manapaka ireo lalana isan-karazany eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Raha tsy hiteny afa-tsy ny eny Andranotapahina sy amin’ny faritra Ambohitrimanjaka iny. Dibo-drano tanteraka mihitsy mantsy ny arabe, takaitra navelan’ilay ora-mikija ny herinandro ambony lasa teo. Mety mbola hitombo be izany, amin’ity orana tsy an-kijanona entin’ity andro ratsy ity. Voka-dratsin’izay rano miakatra manemitra ny arabe izay dia taxi-brousse iray no latsaka teo amin’ny sisin’arabe ka saika lasan’ny rano, omaly teny Ampangabe. Araka ny voalazan’ireo nanatri-maso dia saika ho any Ambohitraimanjaka any ity fiara ity. Efa mandeha an-jambany fotsiny ireo mpamily eo amin’io lalana feno rano io, saingy tamin’ity indray mitoraka ity dia nanamorona loatra ny sisiny ilay fiara ka latsaka. Soa ihany aloha fa tsy nisy naninona ireo mpandeha tao anatin’ity fiarabe mpitatra olona ity. Fa tamin’iny faran’ny herinandro iny dia maromaro ihany ireo fiara niharan-doza, tafahitsoka tanaty lavaka na tafavoaka ny lalana mihitsy, noho ny arabe dibo-drano, na noho ny lalana malama fotsiny. Teny amin’iny lalana By Pass iny, ohatra, fiara kely ihany koa no latsaka tany an-tanimbary, noho tsy fahitana lalana sy ny setrasetran’ny mpamily. Tokony ho tamin’ny dimy ora hariva teo no nitranga ity lozam-pifamoivoizana ity omaly. Fiara marika mazda iray, raha araka ny fitantaran’ny manodidina dia nifanenjika ary nikasa hisongona fiara iray, no nifatratra tany an-tanimbary. Potika ny fiara ary naratra mafy izy roa lahy tao anatiny. Nentina faran’izay haingana tany amin’ny hopitaly. Ny lavaka etsy andaniny, ny rano manginy fotsiny, mila mitandrina fatratra tokoa, ireo mpampiasa lalana amin’izao fotoana izao, hisorohana ny loza mety hitranga.

m.L / D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser