- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohitrimanjaka : Vaky fasana, razana 40 indray nanjavona

Ambohitrimanjaka : Vaky fasana, razana 40 indray nanjavona

Raikitra indray ny fangalarana taolam-paty rehefa nangingina izany teo aloha teo. Ny faran’ny herinandro lasa teo, fasana telo be izao no nasesin’ireo olon-dratsy novakiana teny amin’iny faritra Ambohitrimanjaka iny. Fongana tanteraka ireo taolam-balo tao amin’ireo fasana roa nolalovan’ireo mpangalatra taolam-paty ireto, ny sasantsany kosa tao amin’ny fasana iray. Omaly vao fantatra ny fahavakisan’ireo fasana ireto. Tsy nisy nahatsikaritra mihitsy mantsy izany, raha tsy ny olona sendra nandalo teny amin’ilay toerana no nahita ny varavaram-pasana nidanadana sy vovon-tany nisavovona teo akaikin’ireto fasana ireto. Nampandrenesina avy hatrany ireo tompon’andraikitra isanisany, izay tonga nijery ifotony ity tranga ity. Tamin’izany no nahalalàna fa very razambe tanteraka ireo fianakaviana, tompon’ireo fasana roa voalohany. Tsy nisy namelan’ireo olon-dratsy mantsy fa dia lasany avokoa ireo razàna rehetra tao, izay mitontaly eo amin’ny 35 eo ho eo. Ny lamba nifonosan’ireto razana ireto sisa navelan’izy ireo. Saika ireo taolan-davan’ireo razana efa maina kosa nalain’izy ireo tao amin’ilay fasana voalohany. Naparitak’ireo olon-dratsy fotsiny izay razana mbola mando tsy nilain’ireto olon-dratsy ireto. Raha ny fantatra sy ny tombatomban’ireo mpanao fanadihadiana dia mety ho tamin’iny herinandro iny no nahavaky ity fasana ity fa izao fotsiny vao hita izany. Efa mandeha ny famotorana amin’izao fotoana izao sy ny fikarohana ireo olon-dratsy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici