- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversAmbohitrombihavana : Fasana roa niaraka vaky

Ambohitrombihavana : Fasana roa niaraka vaky

Ny alahady teo no nahitana ireto fasana roa efa nisokatra ny varavarany, fa ny iray kosa avy eo an-tampom-pasana no nosokafana . Olona tao an-tanana no nahita izany ka nampilaza tamin’ny manampahefana tao an-toerana ny fisian’izany. Raha ny firafitry ny tanàna moa dia somary mitokana ery ambony ny fasana, fa ny tanàna kosa ety ambanimbany. Tokantrano roa ihany no misy eny ambony amin’ny toerana manodidina ireo fasana ka mangina dia mangina tokoa. Teo no nohararaotin’ireo mpamaky fasana nanaovany ny asa ratsiny. Nidina teny an-toerana ary ny zandary nanao ny fanadihadiana ka hita fa taolan-dava miisa fito no very tamin’izany. Ny fasana iray moa dia tonga soa aman-tsara teny an-toerana ny tompony, fa ilay faharoa kosa tsy eto an-toerana ny tompony.

Efa eo am-pelatanan’ny  zandary (PA) Alasora moa ny famotorana amin’izao.

ALEM

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser