Hataraina sy hagagana no nahazo ny olona rehetra, izay namonjy fahoriana tao Ambohitsara, Kaominina Nosiarina, noho ny fihetsika izay nasehon’ity Rtoa, iray voalazan’ny loharanom-baovao fa mbola vinanton’ilay olona maty ihany. Fihetsika tsy dia fahita loatra nataony voalohany ,dia ny nanafosafoso ilay razana, hatrany an-dohany ka hatrany amin’ny tongotr’ilay maty, izay marihina fa lehilahy; tsy vitan’izay ihany fa mbola nilaza ilay vehivavy fa hoe: Ela ny ela ka tanteraka ihany ny voadiko; teo dia samy nitolagaga avokoa ny rehetra,izay niatrika ilay fahoriana, ka samy nanontany tena hoe, voady inona no vita? Fa ny tena loza, dia ny fanesorany ny lambany rehetra teo imasom-bahoaka, ka niboridana tanteraka izy; ka nisy tamin’ireo fianakavian’ny maty, no nahakasi-tanana azy, noho io fihetsika namoafady izay nataony io. Tamin’ny fanadihadiana izay natao no nahalalana, fa mpimasy na mpitaiza olona ilay Rtoa, izay sahabo ho eo amin’ny faha-29 taonany eo. Fantatra ihany koa fa vao 5 volana monja no nisian’ny fanambadiana teo amin’ilay Rtoa mpimasy sy ny zanak’ilay maty. Milaza ny hametraka fitoriana moa ny havan’ny maty, noho io fihetsika tsy manjary nataon’io mpanompo sampy io, satria toa mampametraka ny ahiahy tsy ihavanana ny fihetsika rehetra nataony; ka ho hita eo ny hiafarany.
Mamy Augustin