- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversAmbohitsoa : Adina mpivady niafara tamina fahafatesana

Ambohitsoa : Adina mpivady niafara tamina fahafatesana

Omaly hariva tamin’ny 6 ora mahery kely teo, nisy adina mpivady namoizana ain’olona teny Ivanja Ambohitsoa. Ireo nahita ny fandehan-javatra dia samy nilaza fa niaraka nisotrosotro izy roa ireo. Tsy fantatra anefa avy eo izay zavatra niseho fa raikitra ny fifamaliana. Niakatra ny feo. Niafara tamina ady izany. Tsy fantatra marina ihany koa ny nahazoan’ilay vehivavy antsy fa avy hatrany dia nasiany tamin’iny ilay vadiny. Voa teo amin’ny tendany rangahy. Niniana natao sa sendra fahatezerana fotsiny ? Nijininika ny rà, hoy ihany ny vaovao ary tsy ela dia tapitra ny ain’ilay olona. Nisy kiakiaka re avy eo. Nitangorona ny olona nijery ny zava nisy. Efa mandeha ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao.

r.s.

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser