- Publicité -
samedi, juillet 19, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohitsoa : Fivarotana voatafika nandritry ny rivodoza

Ambohitsoa : Fivarotana voatafika nandritry ny rivodoza

Nisesy ny fanafihan-jiolahy tao anatin’ny fandalovan’ny rivodoza kanefa dia tsy dia nisy nivoaka ny trano ny olona noho ny loza mitatao sy ny fanairana miloko mena teto an-drenivohitra. Na izany aza, toa efa narahin’ny olon-dratsy maso ny toerana tsy misy olona ary ireny no tena nataony lasibatra. Toa ny toeram-pisakafoanana iray tetsy Ambohitsoa. Nadio tanteraka, lasa hatramin’ny seza sy ny latabatra. Midika izany fa nigalabona ary nana-potoana ny mpandroba. Tsy nisy olona mihitsy koa nivoaka na nandehandeha hany ka nanamora ny asan’ny olon-dratsy izany. Ny maraina vao nahatsikaritra ny tompon’ny tsena fa tsy nihidy intsony ny varavarana ary efa nikorontana ny tao anaty trano. Nazava teo fa nisy nandroba ny toerana ary betsaka ny entana lasan’izy ireo, nobatainy hatramin’ny seza.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici