Raha tsy nanapoaka basy ireo mpitandro ny filaminana dia tsy nitsoaka mihitsy ireo jiolahy miisa telo. Ny maraim-ben’ny omaly, manodidina ny tamin’ny roa ora, no nitrangan’izany omaly tetsy Ankazolava-Ambohitsoa. Mpiara-monina ireo mpitandro ny filaminana, miaramila sy pôlisy. Ny rihana misy azy ireo no samihafa, raha araka ny fanazavana azo teny an-toerana. Notsofain’ireo olon-dratsy ny “grille de protection” ary efa tafiditra tao an-trano izy ireo no henon’ny tao an-trano tampoka. Nampandrenesina ilay pôlisy tao ambony rihana ary izy no namoaka basy dia nanao tifi-danitra ka nampitsoaka ireo telo lahy, izay tsy fantatra izay fitaovam-piadiana nentin’izy ireo. Na teo aza anefa izany rehetra izany dia nisy ihany ny entana voabatan’ireo mpanafika. Isan’izany ny lecteur DVD sy finday ary koa ny paoketra miisa roa tao anaty fitoeran’akanjo. Raha nisy kely izany dia mety nahiana ho tonga tany amin’ny efitrano fandrian’ny tompon-trano ireo olon-dratsy. Torak’izany ihany koa, raha tsy nisy basy tao amin’ilay tokantrano dia heverina fa sahin’ireo mpanafika ny nifanjevo tamin’izy ireo tao. Dia mipetraka ny fanontaniana hoe raha mpitandro ny filaminana izay mipetraka ao anaty trano misy “grille de protection” no sahin’ny jiolahy tafihina toy izao, dia ahoana izany ny momba ireo olon-tsotra izay matetika aza dakana fotsiny ny varavarana dia misokatra, ary koa tsy misy basy ao an-trano? Mangataka ny mponina eny an-toerana ny mba hanampiana ny fisafoana ataon’ny mpitandro ny filaminana eny amin’iny manodidina iny. Mahazo vahana mantsy, hoy hatran izy ireo, ny asan-jiolahy hatramin’ny nilatsahan’ny orana, manampy trotraka an’izany ihany koa ny delestazy izay mazava loatra fa manamora ny fanafihana isan-karazany. Indroa isam-bolana ihany anefa, raha araka ny fanamarihan’izy ireo, no mba misy fisafoan’ny mpitandro ny filaminana eny an-toerana.
D.R