- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohitsoa : Miverina tsikelikely ny filaminana noho fivezivezen’ny FIP

Ambohitsoa : Miverina tsikelikely ny filaminana noho fivezivezen’ny FIP

Velon-tsiky tato ho ato ny mponina eny amin’ny faritr’Ambohitsoa, toerana nitrangan’ny heloka bevava namoizana ny ain’ny andriambavilanitra maromaro. Ny anton’izany dia ny fahitàna pôlisy mivezivezy sy mipetraka mihitsy aza amin’ny toerana be olona, na andro izany na alina. Rehefa nohamarinina dia ny pôlisy avy eo anivon’ny “Force d’Intervention de la Police” (FIP) izay manana ny tobiny etsy Antanimora, no miandraikitra ny filaminana amin’iny faritra iny. Miverina tsikelikely ny filaminana vokatr’izany raha nihorohoro tanteraka ny mponina teo aloha kely teo noho ny afitsok’ireo olon-dratsy mamono amin’ny alàlan’ny “bois rond” sy ny malao. Ny vehivavy no tena tsy nilamin-tsaina satria nisesy ny olona voaolana dia novonoina ho faty nony avy eo, rehefa vita ny filan-datsy. Tao ny namoy ny ainy ary nisy ihany koa ny mba avotra ihany. Ny tranga farany dia ilay ramatoa handeha hiasa vao maraina, nandalo teo Ivanja, ary nototaina hazo ny lohany. Mba avotra ihany izy rehefa sendra ny mpiasan’ny fahitalavitra izay handeha hiasa vao maraina ihany koa. Ireo no nitondra azy teny amin’ny hopitaly mba ho fanavotana ny ainy. Miverina ny filaminana eny Ambohitsoa, Morarano, Ivanja noho ny fisian’ny pôlisy mivezivezy sy mitsikilo. Na izany aza anefa, mbola andrasana hanao ny asany mafimafy hatrany ireo miandraikitra ny fanadihadiana momba ireo heloka bevava voalaza etsy ambony, tranga izay nisesy sy namoizana ain’olona maro.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici