- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohitsoa : Mpangalatra « compteur » telolahy voasambotra

Ambohitsoa : Mpangalatra « compteur » telolahy voasambotra

Ela nitoratorahana ireto telolahy mpamaky trano sy mpangalatra « compteur » ireto, izay nampikaikaika ny mponina teny amin’iny faritra Ambohitsoa sy ny manodidina iny. Afak’omaly, nisy nampandre ireo pôlisy avy eo amin’ny kaomisarian’ny boriborintany faha-2 etsy Ambohijatovo ny amin’ny fisiana vaky trano teny amin’iny faritra Ambohitsoa iny. Tonga avy hatrany teny an-toerana ireo pôlisy ka nisy tamin’ireo mpangalatra no tratra am-bodiomby. Ny fanadihadiana nataon’ireo mpitandro filaminana no nahafantarana, fa mbola misy telolahy ny naman’ity tratra ity. Tonga hatreny amin’iny Fasan’ny karana ny fanenjehana sy ny fikarohana ireto namany ireto. Araka ny fanazavana azo, dia roa tamin’ireto telo ireto ihany no tratra, tafaporitsaka kosa ny naman’izy ireo iray. Tamin’io fotoana io tokoa dia tokantrano efatra no indray lasibatr’ireto jiolahy ireto. Nandritra ny fisavana, dia mbola nahitana “compteur” efatra tany tamin’izy ireo. Nisy ihany koa ny fitaovana eletronika maromaro toy ny “baffle”, ny fahitalavitra, sns. Notazomina avy hatrany tao amin’ny biraon’ny pôlisy izy ireo natao fanadihadiana ary atolotra ny Fampanoavana anio. Mbola mandeha kosa ny fikarohana ity namany tafatsoaka ity. Inoana araka izany mba hilamindamina indray aloha ny halatra sy vaky trano eny amin’iny faritra iny.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici