Poa-basy tsy nifandrenesana teny Ambohitsoa omaly alina tokony ho tamin’ny folo ora. Saingy tsy ny jiolahy no nanjaka fa kosa ny pôlisin’ny FIP izay tsy namela hatramin’ny farany ireo olon-dratsy voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny famonoana sy fanolanana ireo ramatoabe miisa roa tao anatin’ny roa herinandro, tranga izay nampivarahotsana an’Ambohitsoa sy ny manodidina. Omaly ary rehefa nanara-maso maharitra ny fivezivezin’ny olona ireo pôlisy dia nahatsikaritra ny fandalovan’ny jiolahy teny an-toerana. Nanamafy izany koa ny loharanom-baovao an’izy ireo. Jimmy sy ny forongony no tompon’antoka tamin’ireo heloka bevava voalaza tetsy ambony, raha araka ny pôlisy. Natao ny fisamborana omaly alina ary mbola nisy sahy nitsoaka ihany tamin’ireo voarohirohy. Maty tao anatin’izany ny iray antsoina hoe Bôlô. Voasambotra kosa i Lala mainty sy ny namany roa hafa. Tao anatin’ny alim-be dia mbola nitohy ny fikarohana an’i Jimmy izay tena atidoha nikotrika ireo vonoan’olona. Ampitaina manaraka ny vaovao…
D.R
Ambohitsoa : Nilamina ny tanàna nandalovan’ny FIP
Articles qui pourraient vous intéresser