- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohitsoa : Nitsoaka ny olona, mandrahona ny naman’ilay jiolahy voatifitra

Ambohitsoa : Nitsoaka ny olona, mandrahona ny naman’ilay jiolahy voatifitra

Tao aorian’ny fahatratrarana sy famonoana an’i Bolo, izay raindahiny amin’ ny asa famonoana sy fanafihana tao Ambohitsoa Morarano , nandrahona ny hanafika tsirairay ireo tokantrano manodidina ny toerana namonoana azy ireo milaza ho namany izay mbola miriaria amin’izao fotoana izao. Naharay fandrahonana avy amin’ireo naman’i Bolo ireo ny mponina Ambohitsoa Ambatolava ny ampitson’ny andro nahafantarana fa tratra ity jiolahy raindahiny ity. Nilaza ho tsy hanaiky ny famonoana ny namany tamin’ny fomba tahaka ireny ireto nandrahona ny mponina ireto. Voatery nalefa nitsoaka ny sasany tamin’ny vady aman-janaky ny fianakaviana manoloana ireo fandrahonana ireo. Tsy niandry ny fandevenana an ‘i Bolo akory ireto mitonona ho namany dia efa nampitahotra ny manodidina ao Ambohitsoa Ambatolava. Ankoatra izay, niray hina ny mpiray tanàna ary nanapa kevitra mihitsy ny hamefy ny tanàna. Raha ny fantatra, mbola misy jiolahy karohin’ny mpitandro ny filaminana momba ny raharaha famonoana olona teny Ambohitsoa Ambatolava izay nahafatesana ramatoa be roa tao anatin’ny tapa-bolana. Ity jiolahy mbola karohina ity no ahiana sy atahorana ho manao ireo fandrahonana ireo hoy ireo mponina, ka nahatonga azy ireo nampilaza avy hatrany tamin’ny mpitandro ny filaminana momba ny fisiana fikasana valy faty tahaka izao. Raha tsiahivina dia tsy nikely soroka tamin’ny fisamborana an’i Bolo sy ny namany ireo polisy avy ao amin’ny FIP ny alarobia teo.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici