- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohitsoa : Olona 3 nahatrarana rongony 600 kg

Ambohitsoa : Olona 3 nahatrarana rongony 600 kg

Rongony milanja hatrany amin’ny 600 kg natao tao anaty gony 26, no hitan’ny polisy misahana ny ady amin’ny zavamahadomelina tao an-tranon’olona teny Ankadiavo Ambohitsoa, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Olona telo no fantatra fa tompon’ireto rongony ireto. Tamin’ny fisavana natao tao aminy no nahitana izany. Rehefa natao ny fanadihadiana, dia nilaza izy ireo fa avy any Betroka ireto zavatra ireto. Amidiny 30 000 ariary ny iray “sachet”. Ry zareo no mpamatsy ireo mpaninjara eto Antananarivo. Araka izany, voalazan’ny vaovao fa ry zareo ireo no mpamongady rongony eto an-drenivohitra. Ny vaovoa hatrany no nahalalana fa, efa fotoana ela ihany no nanaovan’ireto olona ireto ity asa fanaparitahana rongony ity. Valisoa, 20 taona, Claudine 20 taona ary Zilisata, 35 taona no anaran’ireto olona ireto.

Vaovao avy amina olona nahalala tsara ny fandehan-javatra, no nahasaronana azy ireo. Tsy vao izao no nisy rongony be dia be tratra teo andrenivohitra, fa efa nisinisy ihany izay. Miparitaka eran’ny tanàna ny rongony avy any atsimo any. Rehefa misy tratra mantsy dia milaza hatrany ireo tompony fa avy any ny rongony. Misy ny tratra anaty fiarabe, misy no hita anaty “taxi-brousse”. Natolotra ny Fampanoavana tamin’ny asabotsy teo izy telo ireo ary tanana vonjy maika eny amin’ny Fonjan’Antanimora.

nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser