Manodidina ny mitataovovonana omaly no nirefotra ny basy teo an-tampon’Ambohitsoa. Mbola nivezivezy ny olona ary teo akaikin’ny fiantsonan’ny taxi-be rahateo no nisy ilay zava-nitranga. Nisy lehilahy maromaro izay tao anaty fiarakodia Audi miloko mainty ny sasany ary nitaingina scooter roa karazana (Jog sy Bws) ny roa. Raha vao nifanatona ny olona izay nitondra ireo fitaovam-pitaterana ireo dia nivoaka avy hatrany ny olona hafa izay nitam-basy tao anaty fiara tsy mataho-dàlana miloko fotsy ary fitaratra mainty. Nitsoaka ny andaniny raha nahita izany. Toa mailo angamba ireo fa olona hisambotra ireo. Nanao tifi-danitra aloha ireo olona nivoaka tao anaty 4X4. Raha vao rifatra nitsoaka ireo nandeha moto dia nitifitra mivantana amin’izay ny mpisambotra. Ny iray dia tao anaty fiara Audi mainty, izay nivoaka izany ary nirifatra nitsoaka, no voan’ny bala teo amin’ny tongony. Nesorina ny akanjo ambonin’io dia nasaina natory tamin’ny tany. Torak’izany koa ny roa hafa izay nandeha moto. Tao anatin’izany anefa, na teo aza ny tifi-basy, dia mbola tafatsoaka ihany ilay lehilahy iray nandeha moto Bws. Nifanenjehana hatrany ambany tany izy saingy tsy hita intsony. Nizotra tamin’ny tanànan’i Morarano ny lalany. Iza ireo tanora nosamborina ireo ? Fantatra kosa iny andro iny ihany fa zandary nanao fanamiana sivily no nanao ny fisamborana. Raha ny tsilian-tsofina re dia efa narahina izy ireo ary ahiana ho miketriketrika fakàna an-keriny teo amin’ny manodidina teo. Nisy karàna manana toeram-pivarotana lehibe izay monina eo amin’ny manodidina an’Ambohitsoa. Hatreto, raha ny fihevitry ny olona momba ny zava-niseho, dia teo am-pivoriana ny amin’ny hakàna io olona io ireo tanora no voasambotra. Mbola andrasana anefa na izany aza ny vaovao ofisialy avy amin’ny zandary. Natsipy taorian’ny 4X4 ireo telo voasambotra ary nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny mpitandro ny filaminana.
D.R