- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohitsoa : Sendra ny tompon-trano mafibe, tapa-tongotra ny mpangalatra

Ambohitsoa : Sendra ny tompon-trano mafibe, tapa-tongotra ny mpangalatra

Zatra ny lalan-dririnina loatra kinanjo tratran’ny patsa iray tsy omby vava. Tetsy Ambohitsoa-Ivanja ny alin’ny alatsinainy hifoha talata no nisy ilay tranga. Novakin’ny telo lahy mitazona zava-maranitra ny tokantrano iray. Sendra tsikaritry ny renim-pianakaviana izany, ary nofohaziny tsimoramora ny vadiny. Rangahy izay sady bokonozatra no sahy io farany. Miasa amin’ireny orinasa miandraikitra fiambenana ireny rahateo. Tsy avy hatrany anefa izy dia niditra an-tsehatra, fa navelany nivoaka mihitsy aloha ireo olon-dratsy. Izany dia mba ho fiarovana ny vady aman-janany. Rehefa vita ny asa ratsin’ireo mpamaky trano; izay tsy hain’ireo akory fa efa voaara-maso dia niala tao amin’ilay toerana ireo. Nohidin’ilay raim-pianakaviana tsara ny trano ary narahiny tsimoramora ireo mpangalatra. Teo dia tsikariny fa novakian’ireo indray ny trano mifanila teo. Efa teo am-pitaterana ny entana ireo no niditra an-tsehatra amin’izay ilay maherifo. Tafatsoaka ny roa, fa ny iray kosa no tsy namelany hatramin’ny farany. Nenjehiny tao anatin’ny alina ary azony ihany. Nodarohany tamin’ny vy lehibe ary tena voa mafy ilay olon-dratsy. Tapaka ny tongony roa ary feno ratra ny tenany. Nanamparan’ilay olona ny hatezerany, satria efa im-betsaka loatra no vaky trano koa itsy voalohany. Tapaka ny tongony roa. Feno rà ny arabe, ary gaga ny olona raha nahita izany vao maraina. Nandritra ny alina ihany, dia nantsoina ny mpitandro ny filaminana mba haka ilay olon-dratsy. Saingy noho ny fahavoazana be loatra, dia tsy nekena ny fampidirana « violon » ilay mpamaky trano. Ny tompon’andraikitra teo amin’ny fokontany no nanatitra azy tany amin’ny toeram-pitsaboana. Monina any Alasora io mpangalatra io, raha araka ny filazany. Sendran’ny patsa iray tsy omby vava ara-bakiteny.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici