Ny antoandro ny fitokanana ofisialy izay natrehin’ny manam-pahefana isan-karazany. Ny alina anefa dia efa nisy nangalatra sahady ny fotodrafitrasa tsara tarehy sy mba mampamiramiratra ny tanàn’Ambohitsoa sy Ivanja. Ny iray tamin’ireo roapolo mahery izay napetraka hanazava ny làlana no nisy naka. Ireny jiro mandeha amin’ny herinaratra izay tena manome hazavana ambony ireny no napetraka niaraka tamin’ny andrinjiro manokana teny an-toerana ny asabotsy teo. Fanomezana avy amin’ny masoivohon’ny Sina eto amintsika izany. Indrisy anefa fa tsy tonga andro iray akory dia efa nisy « nindrana ». Indraindray dia mampanontany tena ny maro hoe mba fisainana inona loatra no mitoetra tao amin’izay nangalatra izay? Toe-tsaina tsy tia zavatra tsara sy mampivoatra ve? Sa kosa toe-tsaina tsy mahafantatra intsony ny dikan’izany hoe fanànana iombonana? Hiteny indray ny sasany hoe ka efa noteren’ny fahantràna tafahoatra saingy tsy voatery ho mitombina izany : betsaka ihany ny firenena mahantra fa tsy voatery mangalatra fanànana iombonana. Manoloana ity tranga ity dia mila fepetra maika ny fiarovana ireo andrin-jiro sy ny mipetaka aminy satria ho tapitra ringana avokoa raha izao ny zava-misy. Efa nitranga rahateo toa izany tamin’ireny lalam-baovao samihafa ireny. Toa ny tetsy amin’ny lala-mahitsy na vahilava etsy Fenoarivo izay sady nanjanona ny vatoaratra nilentika amin’ny tany, no lasa koa ny tafo mpanotrika herinaratra no very koa ny jiro. Nasesin’ireo olon-dratsy mihitsy izany ary dia tsy nisy afa-tsy ny andrin-jiro sisa ankehitriny no mba nitsangana. Mendrika ny hokarohina ary atao savahao ny olona tompon’andraikitra amin’ny halatra momba ireny fananana iombonana ireny satria manetry ny mpiara-monina aminy izay mba miandrandra fanovàna.
D.R