
Naolana dia novonoina. Tovovavy iray mpianatra eny Androndra no hita faty tao anatin’ny tany malalaka izay mifefy hazo tetsy Ambohitsoa. Niboridana ny tapany ambany ary feno ratra ihany koa ny vatany. Mbola hita teo amin’ny manodidina teo ny « serviette hygiénique » izay mety manaporofo fa tao anatin’ny fadim-bolany ilay tovovavy. Kanefa dia io niharan’ny habibiana tsy roa aman-tany io. Raha ny fihevitry ny olona dia tao anatin’ilay oram-be nitranga ny alin’ny zoma teo no nandeha ity heloka bevava ity. Toy izany hatrany rahateo ny vonoan’olona nitranga teny Ambohitsoa : ao anatin’ny oram-be hatrany. Nihoron-koditra indray ny mponina raha nandre sy nahita ity tranga ity. Ny antony dia efa fanindiminy izay ny vehivavy hita faty sy naolana teo amin’iny fokontany iny. Misy amin’ireo no efa lehibe, efa 70 taona, nisy ny mpiasan’ny orinasa afaka haba, 32 taona. Midika izany fa tsy mifidy izay hanararaotana ny filan-dratsiny mihitsy ny olon-dratsy tompon’andraikitra amin’izao heloka bevava izao. Efa maro ny olona nosamborina teny amin’ny manodidina ary naiditra am-ponja, satria raha ny fijery azy dia jiolahy manao valifaty ireo mamono olona eny an-toerana ireo. Rehefa fanindiminy kosa anefa ny olona maty rehefa naolana, sady mitovy avokoa ny fisehoany ary tsy mifanalavitra ny toerana nitrangany, toa mampieritreritra ihany hoe sao mba olona mitovy ihany no tompon’andraikitra amin’ireo heloka bevava miverimberina ireo. Mikorontan-tsaina indray ny mponin’Ambohitsoa, indrindra ny vehivavy…
D.R