- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohitsoa : Voaroba ny kioska sy ny taxi-be

Ambohitsoa : Voaroba ny kioska sy ny taxi-be

Lehilahy maromaro nandeha môtô scooter miisa efatra no nanatontosa ny fandrobàna kioska sy taxi-be. Manana basy izy ireo raha araka ny fanazavan’izay nahita. Teo amin’ny fiantsonan’ny taxi-be zotra 139 no nijanona izy ireo, ny alin’ny alatsinainy tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany. Misy kioska kely izay sady mivarotra finday sy fahana no azo anaovana Mvola ihany koa, teo amin’ny kihon-dàlana. Io no nataon’ireto lehilahy lasibatra. Nambanana basy ny mpivarotra tao ary nasaina nanome ny finday rehetra namidy tao amin’io toeram-pivarotana io. Mba tsy nisy lasa kosa ny vola tamin’io fotoana io. Tsy nionona tamin’izany ihany anefa ireo olon-dratsy, satria nitodika tany amin’ny reseveran’ny taxi-be iray indray izy ireo ary nanendaka an’io farany. Lasa tamin’izany ny vola “versement” iray andro. Tsy alim-be akory satria mbola tao anatin’ny fivezivezen’ny olona tanteraka teo an-toerana no nitranga ity fanafihana mitam-piadiana ity. Feno vatan-dehilahy ilay toerana ary misy mihitsy aza ny mijorojoro matetika eo, saingy tsy afa- nanoatra sy nanao na inona na inona akory ireo, asa noho ny fisian’ny basy teny amin’ny jiolahy angamba. Na izany aza anefa dia tsy nisy ny poa-basy fa kosa tamin’ny alalan’ny tora-bato no nanaparitahan’ireo olon-dratsy ireo olona saika nitangorona. Mazava izany izao fa ireny kioska ireny indray no isan’ny tena manintona ny mpandroba. Fantatra koa mantsy fa nisy nanafika ny airtel money tetsy Androharanofotsy omaly (jereo lahatsoratra etsy ankila).

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici